<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A. Sullivan</author>
<lyrics>[V1]
 Ry miaramila ! mandrosoa izao,
 Kristy Kapiteny mialoha anao ;
 Ao aloha tafika, loza, ratra be,
 Fitsaharana tsy misy,
 misikina re :
 Ry miaramila ! mandrosoa
 izao,
 Kristy Kapiteny mialoha anao ;

[V2]
 Any lehy ratsy no manotrika,
 Any ny tsipìka no milatsaka;
 Tano ny finoana ho
 ampinganao,
 Entonao ho fandresena izao
 rehetra izao :
 Ry miaramila ! ..sns.

[V3]
 Aza miambohona miherika,
 Ao an-tratranao ny fiarovana ;
 Aza mba matahotra, fa
 sahia, fandrao
 Raha tsy mandresy, dia ho
 resy hianao ;
 Ry miaramila ! ..sns.

[V4]
 Dia mandrosoa hianao izao,
 Ka miraisa dia aminay ho ao ;
 Milofosa fatratra, aza ketraka
 « Miadia ny ady tsaran'ny
 Finoana » :
 Ry miaramila ! ..sns.

[V5]
 Kristy Kapiteny tapitra ohatra,
 Izy no mpiaro ny mpanafika ;
 Miankìna Aminy mafy hianao
 Ka aza mba ny tenanao no
 itokianao
 Ry miaramila ! ..sns.</lyrics>
<title>Ry miaramila! Mandrosoa izao FFPM639</title>
<hymn_number>639</hymn_number>
</song>